Masera Marie Christine : "Voairaka miaraka "... — Malagasy

Aller au contenu. | Aller à la navigation

Outils personnels

Masera Marie Christine : "Voairaka miaraka "...

volohany indrindra io asam-panirahana io fa tsy miara-mahazo azy indray maka ny rehetra...

yolande marie claire et m. christine diminué.jpg« Voairaka miaraka » : volohany indrindra io asam-panirahana io fa tsy miara-mahazo azy indray maka ny rehetra.
« Voairaka miaraka » midika fa mifanohana ny tsirairay avy : izany hoe, mahatsapa fa manana andraikitra amin’ny fivoarana maha-olona sy ara-panahin’ny tsirairay isika . Eo am-pihoarana ny tahotra isika (ny fahasamihafana, ny kisary omentsika,izay hitantsika eto ivelany, sns…) afaka miditra amin’ny fifandraisana
feno fahatokisana isika, mamolaka ny tenantsika, tahaka ny tantaran’i ilay Mpanjaka kely. Ataoko fa ny rehetra efa samy nanandrana ny takian’ny fanekena na ny fandavana ny fifampiresahana. Mamela soritra ao amintsika izany.

Nefa isika eo am-panarahana an’i Kristy Làlana, Fahamarinana, Fiainana.
- Làlana satria mahita azy isika rehefa an-dàlana isan’andro vaky,
- Fahamarinana, satria omeny fahasoavana isika matetika hanao ny marina, miaraka amin’ny hafa.
- Fiainana, satria rehefa miditra amin’ny Fahazavany, lasa velona misimisy kokoa isika.


Ao amin’ny Kôminôte, tiako ny fifampizarana izay ananantsika sy maha izy antsika ; fotoana izay hahafahan’ny tsirairay milaza ny fomba izay niatrehany tamin’ny alalan’ny zava-niseho teo amin’ny Fiangonana sy izao tontolo izao, tamin’ny alàlan’ny hafaliana sy alahelon’ny havana.  Amin’ny fomba miavaka na, ao amin’ny 10548048_703623919710122_8264000348899848372_o.jpgvavaka, raisintsika ny fiainan’ny mpifanolo-borindrina, ny fianakaviantsika, ireo izay any amin’ny toeram-pikatrohantsika, na izay lazain’ny gazety, dia manjary fiombonana io fizarana io.

Afaka mifampiteny am-pitiavana : misaotra, azafady, raha sitrakao… manampy ahy be dia be. « Ny fijerim-pitiavana marina dia izay manantena antsika », hoy i Paul Baudiquey.

Koa tsy noho famelantsika hitoetra ao amintsika, an’Ilay tiantsika hatramin’ny farany ve, no hianarantsika hijery tahaka Azy sy hizara ny fahazavana omeny ?