Ny 14 hatramin'ny 16 septambra 2012
Zoma 14 :
Samy naneho ny vokatry ny sori-dàlana noraisina ho an’ny taona ny sokajy tsirairay avy:
Fandalinana ny mpampianatra ara-panahy : Fançois de Sales sy Jean Eude
« Mba ho mpanatanteraka ny fampivondronana sy ho lalivain’ny fampihavanana… »
« Mampiroborobo ny fanajana ny aina sy ny hasina maha- olona… »
Sabotsy 15 :
Nampiditra anay tamin’ny fibanjinana ny Evanjelin’ny fiovan-tarehy i Masera Marie Thérèse Cuoq :
« Manao tahaka ny Apôstoly isika, miakatra ny tendrombohitry Karmely, maka fotoana ihaonana amin’i Kristy niova tarehy… ary rahampitso, hiverina hidina rehefa nahazo hery tamin’izay nodinihana sy nifampizarana…."
Ny tolakandro, Masera Marie André no nanampy anay mba « hamaky ireo famantarana ny fisian’Andriamanitra eo amin’ny fiainako »
Fahasarotan’ny fandanjalanjana…tsy mora mandrakariva ny fanaovana jery todika ny andavanandrom-piainana…
Ny hariva, nahaliana ny fijerena horonan-tsary mikasika ny tantaram-pikambanana nipoiran’ny Sœurs du Christ : Teo mandrakariva ny Fanahy Masina hatramin’ny taon-jato nifandimby, mbola eo izy ankehitriny ary mbola ho eo rahampitso…
Alahady 16 :
Niaraka tamin’i masera Jeanine Couffin, nandinika ny maha-izy an’i Jesoa izahay: « Ho anareo iza moa aho ? »
Taorian’ny fanaovana jery todika sy filazana ireo hetaheta ho an’ny manaraka, dia samy nody an-kafaliana noho ireo andro niarahana ireo : « Nahafinaritra any iny faran’ny herinandro iny : fizotry ny fandaminana, fandalinana ny lohahevitra ary ny fifampizarana…tsara haverina ny fihaonana toy iny. Misaotra an-dry Masera tamin’ny fizarana sy ny fanomanana »