IGNACE DE LOYOLA (1491- 1556)
Jiro manazava ny dianay
« Mitady sy mahita an'Andriamanitra ao amin'ny zava-drehetra »
« Mitady sy mahita an'Andriamanitra ao amin'ny zava-drehetra »
Mibanjina an’i Kristy ara-tantara teo amin’ny asany, ny fihetsiny, ny toerana nipetrahany i Ignace. Ny fanarahana ny dian’i Kristy amin’ny maha-olona azy no mitarika haniry ny « toe-po nananan’ ny Tompo… mba hitiavana Azy sy hanompoana Azy tsaratsara kokoa.
Ny fikatsahana am-panetren-tena izay sitrak’Andriamanitra “eto ary izao ankehitriny izao” dia mitaky toetra fototra, fahalalana anaty sy fahavononana tanteraka amin’Andriamanitra mba hamaliana ny fitiavany ary hanoloranay tena misimisy kokoa amin’ny fanompoana Azy.