ANDRON’NY SEKOLY AMBONY ZEZOITA — Malagasy

Aller au contenu. | Aller à la navigation

Outils personnels

ANDRON’NY SEKOLY AMBONY ZEZOITA

Ny Mpianatra nandray anjara tamin'ny andron'ny Oniversite "Magis" Madagasikara.

Nankalazaina ny 21 sy 22 marsa 2024 teny Bevalala ny andron’ny oniversite Zezoita eto Madagasikara (U- Magis) . Misy sampam-pianarana maro ity sekoly ity. Mianatra ao amin’ny sampam-pianarana serasera (SAMIS-ESIC) I masera Nordine Faria.

Nankalazaina ny 21 sy 22 marsa 2024  teny Bevalala ny andron’ny oniversite Zezoita eto Madagasikara (U- Magis) . Misy sampam-pianarana maro ity sekoly ity. Ahitana azy  eto Antananarivo sy Fianarantsoa.

Mianatra ao amin’ny sampam-pianarana serasera (SAMIS-ESIC) I masera Nordine Faria.

Tanjon’ity fihaonana ity, ny hankaherezana sy hampiombonana ny (U-Magis) Madagasikara.  Nomarihina tamin’ny fizarana  efatra lehibe ny fotoana. Teo ny lafiny Fanahy , ny  lafiny Akadimika, ary ny lafiny fanatanjahan-tena sy kolontsaina.

Alakamisy 21 marsa 2024 tamin’ny 8 ora  ka hatramin’ny 12 ora: Fihaonambe akademika. Nandinihana ny lohahevitra hoe:” fandrosoana eny ifotony sy atrikasa”,  ho an’ny Masitera. “Fiadiana amin’ny zava-mahadomelina” kosa ny an’ny Lisantsa. Nisy ny baolina kitra nifanandrinana teo ny ekipa lehilahy sy ny ekipa  vehivavy .

 

Zoma 22 martsa 2024: Sorona Masina notarihin’I mopera Mamy Wilson talen’ny (U-Magis) Amparibe. Nohamafisiny nandritra ny toriteny fa tokony hanana fahatokisana an’Andriamanitra isika. “Ilaina ny mivavahana maraina, antoandro, hariva”, hoy izy. Taorian’ny Sorona Masina, ny fanentanana ara- kolotsaina syfifaninanana baolina basikety.

 

 

Tamin’ny 3 ora tolakandro ny fampisehoana nataon’I LJO mpnakanto Malagasy. Nofaranana tamin’ny fizarana ny loka ho an’ny mpandray anjara rehetra tamin’ny fanatanjahan-tena ny fotoana. Nifarana tamin’ny 4 ora sy 15 minitra tolakandro ny fotoana. Samy namonjy fodiana ny rehatra.

Nanentana ny tanora hatoky an'Andriamanitra i Mompera Mamy Wilson