Avy amin´ny Kôminôten’ny Rome Fifaliana, fifaliana, fifaliana ...fanantenana — Malagasy

Aller au contenu. | Aller à la navigation

Outils personnels

Avy amin´ny Kôminôten’ny Rome Fifaliana, fifaliana, fifaliana ...fanantenana

Fifaliana Ary Fanantenana Ny Kôminôten’ ny Rome

Tao amin' ny kôminôten' ny Roma, ny 17 ka hatramin' ny 22 jiona 2024: hafalianan' ny fandraisana...hafalian' ny fijoroana ho vavolombelona... hafalian' ny fifampizarana...ary fanantenana izay teraka...

 

Fifaliana ny nandray ireo maserantsika tanora junioriste nandritry ny herin´andro,  Kameroney sy Malagasy izay tonga nipetraka teto Roma nandritra ny fotoana 'Miverena any amin'ny loharano niandohana', amin'ireo loharanon'ny Fiangonana naorin'ireo maritiora voalohany izay nijoro ho vavolombelon´i Jesoa Kristy eto  Eoropa.

 

Fifaliana ny nahita ny hagagan´izy reo ny zavatra hitany nandritra ny fitsidihany ity tanàna ity: toerana maro izay, nandritra ny taona maro, ny Kristianina naniry ny  mankalaza amin’ny alalan’ny asa zavakanto, ny hatsaran’ilay Andriamanitra maniry ny fiainana.

 

Fifaliana ny fizarana mandritra ny sakafo, izay nahafahanay  nahafantatra bebe kokoa ny fiainana sy asam-panirahana ny tsirairay, ny Kôminôte misy azy, ny fiangonany ary ny fireneny…. ary izay nahafahanay niresaka ireo masera rahavavy fantatra izay tsy niverina intsony  eto Eoropa nandritra ny fotoana ela… ny ‘Fianakaviam-ben´ny  Soeurs  du Christ rehetra no tena teo.

 

 
 
 
Ary Fanantenana,

Ity Fanantenana ity izay teraka avy amin’ny fiaraha-miasa.

 

 

 

  • Ity Fanantenana ity izay teraka avy amin’ny fiaraha-miasa: Ho an’ny Kôminôtenay eto Rome, ny fandraisana anjara araka izay azo atao amin’ny haren’izao fotoanan’ny ‘Miverena any amin’ny loharano niandohana’ izao dia nandrisika anay sy nanamafy ny fiombonana eo aminay.
  • Ity Fanantenana ity izay teraka rehefa mivelatra ny faravodilanitra, dia azo zaraina ny fiainana avy any an-dafin'ny sisintany.
  • Ity Fanantenana ity izay teraka avy amin'ny fahavitrihan'ny zandriny indrindra sy avy amin'ny Fifaliana mahita ny Fiainana mitombo!

 

 

Ny  Kôminôten’ ny Rome: Julienne, Maria Antonia, Ernestine, Elie et Josyane