FANKALAZANA NY JOBILY faha -25 sy faha-70 TAONA MAHA-RELIJIOZY
Msgr. Guillermo, Evekan'i Rancagua sy ny jobilin’i masera, Emma sy Mirella.
Tamin'ny Alahady 14 Aprily 2024, tao amin'ny paroasy Graneros, no nankalazain’ny délégasionan’i CHILI ny jobily faha-25 maharelijiozy an’ i masera Marie Emma Espérance, sy faha-70 taona maharelijiozy andry masera Mirella sy María de los Ángeles.
Indrisy anefa fa tsy afaka nanatrika izany fankalazana izany i masera María de los Angeles noho ny olana ara-pahasalamana nahazo azy.
Ny Evekan’ny Diosezin'i Rancagua, Mgr. Guillermo Vera, sy ny pretra Felipe Pardo, vikera paroasialy no nitarika ny Lamesa.
Tao anatin’ny toriteny dia naneho fankasitrahana ny asa ataon’ny Soeurs du Christ amin'ny dioseziny i Mgr. Guillermo, indrindra fa ny asa pastoraly ataon’i masera Mirella any amin’ny fonja.
MIRELLA : 70 TAONA MAHARELIJIOZY
« Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany »
(Mt 6,33)
MARÍA DE LOS ÁNGELES: 70 TAONA MAHARELIJIOZY
« Midera Anao Aho, Raiko, Tompon'ny lanitra sy ny tany »
(Mt 11, 25)
MARIE EMMA ESPÉRANCE: 25 TAONA MAHARELIJIOZY
« Satria sarobidy eo imasoko ianao, eny, be voninahitra ianao sady tiako »
(Is 43, 4)
Taorian'ny Lamesa, día niara-nisakafo tamin'ireo voaasa rehetra tao amin’ny “Aromos de Tuniche” izahay: fianakaviana, mpiara-miasa, namana ary pretra.