"ENY" AMIN’NY TOMPO" — Malagasy

Aller au contenu. | Aller à la navigation

Outils personnels

"ENY" AMIN’NY TOMPO"

Shiron, Yolande ary Jacqueline día nanolo-tena tamin'ny fanaovana Eny, tahaka an'i Maria Virjiny tamin'ny Tompo

Shiron, Yolande ary Jacqueline día nanolo-tena tamin'ny fanaovana "Eny", tahaka an'i Maria Virjiny tamin'ny Tompo, ato amin’ny fikambanantsika Soeurs du Christ.

An-kafaliana amin’ity 14 jiona 2024 ity, telo amin’ireo maserantsika izany hoe: Shiron, Yolande ary Jacqueline no nanolo-tena tamin'ny fanaovana "Eny" tahaka an'i Maria Virjiny tamin'ny Tompo mba "ho vavolombelon'i Jesoa Kristy fototra sy mpanorina ny maha iray” ato amin'ny fikambanan’ny Soeurs du Christ.

"...nifaly niaraka tamin'ireo fianakavian'ireo olom-boafidin'ny andro  izahay: Shiron, Yolande ARY Jacqueline "

Velomin’ny Tenin'Andriamanitra mifantoka amin'ny iraka maha mpanaradia marina an’i Kristy 

 

                          

tena nihetsi-po sy talanjona tamin'ny fahatsoran-dry masera sy ny hatsaran'ny fiainan-drelijiozy.

Misaotra an'Andriamanitra isika noho ny "Eny" nataon’izy ireo. Enga anie i Maria Virjiny, ilay modely tsara indrindra, hiaraka amin'izy ireo mandrakariva.

Mirary ny tsirairay amin'ireo vao avy nanonona voady izahay hanana herim-po tsara amin'ny asa anirahana azy ary mba hifantohan'izy ireo mandrakariva amin'i Kristy.

 

Hoy izahay miaraka amin'ny mpanao salamo :           

« Misaotra Anao aho, ry Andriamanitro ô, noho ny fahagagana maro ! »