«FIVERENANA AN-DOHARANO 2024» Notsoahina avy amin'ny teny fiarahabana — Malagasy

Aller au contenu. | Aller à la navigation

Outils personnels

«FIVERENANA AN-DOHARANO 2024» Notsoahina avy amin'ny teny fiarahabana

Masera Véronique, Vivienne, Vitale, Schinina, Prudence, Patience sy Angéline noraisin’ny Filan-kevitra Jeneraly.

Fandraisan’ny Filan-kevitra Jeneraly andry masera Véronique, Vivienne, Vitale, Schinina, Prudence, Patience ary Angéline, teratany kamerone sy malagasy.

«Tonga soa ato amin’ny Trano Jeneraly ianareo ho an’ny fiverenana an-doharana izay manomboka  anio ka hatramin’ny 12 jolay. »

 

 

« Fotoana sarobidy izay nomanina hatry ny ela. Niampita ny ranomasimbe ianareo ho an’ity zavamitranga tokana ity ho anareo tsirairay avy, tokana ihany koa ho anay Filan-kevitra Jeneraly. »

                                     

 
« Hanao ny andram-piainan’ny fiovana ara-kolontsaina sy fiaraha-miaina iraisam-pirenena manan-karena amin’ny fahasamihafantsika ara-kolontsaina, ara-pihofanana, ara-taona, ara-traikefa, araka ny andraikitra sy ny toetra maha izy ianareo. »
 
 

 

 

 

 

 

 

« NY FIVERENANA AN-DOHARANO DIA MIKENDRY NY FANDALINANA NY FANOMEZAM-PAHASOAVANA AMIN’NY ALALAN’NY NIANDOHANTSIKA SY NY FAHITANA IREO MPAMPIANATRA ARA-PANAHY TEO AMIN’NY DIAN’IZY IREO TETO PARISY. »

 

« Ity fiverenana an-doharano ity anie hampitombo ny fonareo, hitiavanareo izao tontolo izao, ny Fiangonana sy ny Fikambanana. »

 

« ITY ANDRAM-PIAINANA ITY ANIE HAHAFAHANAREO MIJERY NY FIKAMBANANA AMIN’NY MASO VAOVAO. »

 

 

                                               

Notsoahina avy amin'ny teny fiarahabana nataon'i Masera Emerentienne, Lehibe Jeneraly, Parisy ny 7 jiona 2024.