«FIVERENANA AN-DOHARANO 2024» Notsoahina avy amin'ny teny fiarahabana
Masera Véronique, Vivienne, Vitale, Schinina, Prudence, Patience sy Angéline noraisin’ny Filan-kevitra Jeneraly.
«Tonga soa ato amin’ny Trano Jeneraly ianareo ho an’ny fiverenana an-doharana izay manomboka anio ka hatramin’ny 12 jolay. »
« Fotoana sarobidy izay nomanina hatry ny ela. Niampita ny ranomasimbe ianareo ho an’ity zavamitranga tokana ity ho anareo tsirairay avy, tokana ihany koa ho anay Filan-kevitra Jeneraly. »
« NY FIVERENANA AN-DOHARANO DIA MIKENDRY NY FANDALINANA NY FANOMEZAM-PAHASOAVANA AMIN’NY ALALAN’NY NIANDOHANTSIKA SY NY FAHITANA IREO MPAMPIANATRA ARA-PANAHY TEO AMIN’NY DIAN’IZY IREO TETO PARISY. »
« Ity fiverenana an-doharano ity anie hampitombo ny fonareo, hitiavanareo izao tontolo izao, ny Fiangonana sy ny Fikambanana. »
« ITY ANDRAM-PIAINANA ITY ANIE HAHAFAHANAREO MIJERY NY FIKAMBANANA AMIN’NY MASO VAOVAO. »
Notsoahina avy amin'ny teny fiarahabana nataon'i Masera Emerentienne, Lehibe Jeneraly, Parisy ny 7 jiona 2024.