Fankalazana ny jobily faha 50 taonan’ny naha-relijiozy azy sr. Jeanine Couffin
Sœur Jeanine et sa communauté
Nankalaza ny faha-50 taona ny naha-relijiozy azy Masera Jeanine Couffin, notronin’ny ankohonam-piainana misy azy, sy iray amin'ireo avy ao Saint Sigolène , M . Thérèse Cuoq sy Monique Monceau, avy ao akohonam-piainana Retournac, vondrom-piarahamonina akaiky anay indrindra.
Nankalazainay niaraka tamin'ny vondron’ny Kristianina Karmela, izay mampifandray aminn’ny paroasinay, no nankalazana io fotoana manan-danja io.
Nampahafantatra an’i Jeanine sy ny akohonam-piainana misy azy ny mpitarika ary nanentana ny fiangonana hiombona tamin'ny vavaka fisaorana izany jobily izany.
Ny Evanjely ao amin'ny Matio 25 dia manambara:
« Izay nataonareo tamin'ny kely indrindra amiko dia nataonareo tamiko ».
EVanjely novakian’ ny diakra eto aminay izay vao nohamasinni atsy elavao haingana no narahin'ny toriteniny voalohany. Ny fijoroana ho vavolombelona mahery vaika nataon'ny mpikambana iray tao amin'ny aomonerian’ ny fonja dia fampiharana ny Evanjely amin’izao andro izao.
Tamin'ny fiafaran'ity fankalazana ity, dia natendrena ho Akolita ny mpiserivy efa oloondehibe izay eto amin’ny paroasy. Fifaliana lehibe izany, Mitondra ny Trizomy io olona io , tena fankasitrahana avy amin'ny fiangonana izany! Nifarana tamin'ny tehaka feno haravoana sy hafaliana avy amin'ny mpiangona ity andro firavoravoana fety nankalazana an’i Kristy Mpanjaka ity.
Voamariky ny firaisan-kina amin'ny fivoaran'ity Eokaristia ity isika.
Taorian'io fotoana manandanja io , dia niara - nanao fety taminay ilay pretra, tmin’ny fiaraha - misakafo tamim - pirahalahiana sy tamim - pifaliana.
Tamin'ny vavaka hariva (Vepres) dia nanavao ny voady nataony tao amin'ny Laspelin’ny kominote voaravaka voninkazoi Sr. Jeanine.
Ny fanavaozana ny fanoloran-tenan'ny olona iray aorian'ny 50 taona dia ny manavao ny tena sy miorim-paka lalina kokoa ao amin'i Kristy, miaraka amin'ny tantarany rehetra sy ny zava-misy ankehitriny.
Fa Andriamanitra tia mpanome amim-pifaliana.
Magnificat Hallelujah!