ANDRON’NY SEKOLY AMBONY ZEZOITA
Ny Mpianatra nandray anjara tamin'ny andron'ny Oniversite "Magis" Madagasikara.
Nankalazaina ny 21 sy 22 marsa 2024 teny Bevalala ny andron’ny oniversite Zezoita eto Madagasikara (U- Magis) . Misy sampam-pianarana maro ity sekoly ity. Ahitana azy eto Antananarivo sy Fianarantsoa.
Mianatra ao amin’ny sampam-pianarana serasera (SAMIS-ESIC) I masera Nordine Faria.
Tanjon’ity fihaonana ity, ny hankaherezana sy hampiombonana ny (U-Magis) Madagasikara. Nomarihina tamin’ny fizarana efatra lehibe ny fotoana. Teo ny lafiny Fanahy , ny lafiny Akadimika, ary ny lafiny fanatanjahan-tena sy kolontsaina.
Alakamisy 21 marsa 2024 tamin’ny 8 ora ka hatramin’ny 12 ora: Fihaonambe akademika. Nandinihana ny lohahevitra hoe:” fandrosoana eny ifotony sy atrikasa”, ho an’ny Masitera. “Fiadiana amin’ny zava-mahadomelina” kosa ny an’ny Lisantsa. Nisy ny baolina kitra nifanandrinana teo ny ekipa lehilahy sy ny ekipa vehivavy .
Zoma 22 martsa 2024: Sorona Masina notarihin’I mopera Mamy Wilson talen’ny (U-Magis) Amparibe. Nohamafisiny nandritra ny toriteny fa tokony hanana fahatokisana an’Andriamanitra isika. “Ilaina ny mivavahana maraina, antoandro, hariva”, hoy izy. Taorian’ny Sorona Masina, ny fanentanana ara- kolotsaina syfifaninanana baolina basikety.
Tamin’ny 3 ora tolakandro ny fampisehoana nataon’I LJO mpnakanto Malagasy. Nofaranana tamin’ny fizarana ny loka ho an’ny mpandray anjara rehetra tamin’ny fanatanjahan-tena ny fotoana. Nifarana tamin’ny 4 ora sy 15 minitra tolakandro ny fotoana. Samy namonjy fodiana ny rehatra.
Nanentana ny tanora hatoky an'Andriamanitra i Mompera Mamy Wilson