CAMEROUN : Mamerina amin’ny laoniny ny hôpitalin’ny Ngovayang sy ireo trano isan-karazany.
Trano isan-karazan’ny hôpitalin’ny Ngovoyang
Mgr Damase ATANGANA, evekan’i KRIBI Atsimon’i Cameroun, nanao antso maika tamin’ny Fikambanantsika izy mba hiandraikitra ny hôpitalin’ny Diosezy any ambanivohitry NGOVAYANG, anivon’ny ala mikitroka faritra Atsimon’i Cameroun. 95 km avaratra atsinanan’i Kribi renivohitry ny Diosezy. Faritra mihidy onenana foko 3 ka anisan’izany ny PYGMEES anaty ala.
Ireo mponin’ny Pygmée ireo dia voailika amin’ny endrim- pandrosoana rehetra (làlana, fampianarana,fitsaboana, fitoriana ny vaovao Mahafaly,sns..). Ny misionera Espanola no nanorina io hôpitaly anaty ala io. Noho ny tsy fahampianan’ny mpikambana hanohy ny asa dia nialany io toerana io
Eo daholo ny fototrafitr’asa : trano maro fampandehanana ny hôpitaly, trano ho an-dry masera ary trano hafa ho an’ny mpiasan’ny fahasalamana saingy efa tena ratsy ka mila fanavaozana.
Simba ny fototrafitr’asa, ny fitaovana efa antitra, ny fitaovana ilaina amin’ny fandidiana, ny fanaovana fitiliana, sns… matetika tsy mandeha, ny trano fitehirizam-panafody efa mila ho foana.
Ny fanokafana ôfisialy io toerana io sy ny fametrahana ny kôminôte dia heverina ho amin’ny volana septembra 2022. Betsaka ny asa hatao ilàna famatsiam-bola.
tarehimarika voalohany sandam-bola Francs CFA |
tarehimarika faharoa sandam-bola EUROS
|
|
C Latabatra fandidiana | 3 850 000 | 5869,29 |
C Fitehirizana rivotra famelomana aina | 1 800 000 | 2744,08 |
C Fitaoovam-pandidiana | 1 200 000 | 1829,39 |
C Fitaovana ilaina amin'ny fitarafana sy fitiliana : fitarafana, Fitaovana anaovana radiô 40 kw, 150 kv, 500 mA, tube DRGEM(DXT-12M) | 20 000 000 | 30489,8 |
C Fitaovana ilaina amin'ny fitiliana otrikaretina | 950 000 | 1448,27 |
C Fandriana hôpitaly sy kidoro | 3 000 000 | 4573,47 |
C Fitondrana marary | 260 000 | 396,37 |
C Fanafody ilaina fototra | 3 000 000 | 4573,47 |
Totaly : 51 924,14 euros