Jobily tany Haute-Loire
Fanavaozana ny fanoloran-tenan'izy ireo
Avy any Haute Loire
Tao Retournac ny Alahady 22 Septambra i masera Sylvia, Margueritte ary Christine dia nankalaza ny jobily volafotsy, izay efa 25 taona sahady!. Tao amin'ny fiangonan'ny paroasy dia nisy faneva hoe "Misy ilan’ny Tompo azy" izay namerina ny dikan'ny antso amin'ny fiainan-drelijiozy.
Samy nampahafantatra ny tenany ny tsirairay tamin'ireo nankalaza jobily ary niara-nanavao ny voadiny izy ireo. Tsara ny lanonana "mendrika ny fanoloran-tena mandrakizay" izay afaka manamarika ny Kristianina ny fijoroany ho vavolombelona.
Tany ivelany, teo amin'ny veran'ny finamanana, dia novahana ny lela teoamin’ny fifanakalozana teo amin'ireo masera sy ny mpiangona.
Avy eo dia naroso tao an-tranon'ireo masera zoky ny sakafo: olona 48 anisan'izany ireo rahavavy avy amin'ny kominote mpifanolo-bodirindrina hafa na... Lavitra! , ireo mpiara-miombon’antoka amin'ireo soeurs du Christ any Lyon, mpiara-miasa, sns....Firahalahiana agapes!! Raha fintinina, fety mahafinaritra dia mahafinaritra!